Flash
Préc Suiv

Nitombo ny fandaniana gazoala : mpanjifa solika be indrindra ny Jirama !

Nitombo ny fandaniana gazoala : mpanjifa solika be indrindra ny Jirama !

Tamin’ny volana novambra 2015, tafakatra 10 % na 75.951 m3 ny fitambaran’ny solika teo amin’ny tsena, karazany rehetra. Nitombo be indrindra tamin’ireo ny gazoala, tafakatra 18 % tamin’io fotoana io. Ny Jirama no mandany gazoala be indrindra, 66 % eo amin’ny tsena. Mpanjifa be indrindra ny Jirama eto Antananarivo noho ny fampiasana milina roa vaovao manome herinaratra 40 Mw. Nametrahana milina vaovao mandeha amin’ny gazoala toy izany koa ny Jirama maro any amin’ny faritany. Tsy nampitsahatra tanteraka ny delestazy anefa izany. Inona ny antony ? Tao anatin’ny 11 volana, niakatra 8 % ny fanjifana gazoala, 505.847 m3. Nanantombo 3 %  ihany ny lasantsy nandritra io fotoana io, 115.565 m3.

Somary nampihena ny varotra solika ankapobeny ny fanjifana solika mavesatra (FO), izay ny Jirama ihany no tena nampiasa izany betsaka teo aloha ; nihena koa ny solika ho an’ny fiaramanidina (Jet), satria mandalo krizy ny Air Madagascar. Nihena ny sidina ato anatiny sy ny miainga eto mankany ivelany. Na izany aza, nanantombo 2 % tao anatin’ny 11 volana  (janoary – novambra 2015) ny fanjifana solika, fitambarany : 777.534 m3. Ny gazoala no nanantombo be indrindra, midika izany fa tsy mitsaha-miakatra toy izany koa ny fihanaky ny rivotra maloto mandoto ny tontolo iainana manerana ny Nosy.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.