Flash
Préc Suiv

Kaominina Antananarivo Renivohitra : nesorina ny mpivarotra amoron-dalana

Kaominina Antananarivo Renivohitra : nesorina ny mpivarotra amoron-dalana

 Vita ny fety ! Niroso amin’ny fanadiovana ny tanàna ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly. « Nanombohana azy ny fanalana ny mpivarotra amoron-dalana hiditra amin’ny tsena mahazatra satria tao anatiny ihany izy ireny no nivoaka ny fefy », hoy ny mpiandraikitra ny kaominina, omaly. Efa nisy ny fampilazana mialoha fa rehefa vita ny tsenan’ny Krismasy, tsy maintsy mamonjy ny tsena ara-dalàna ny mpivarotra amoron-dalana. Tsy nanohitra ny mpivarotra teny Analakely, Behoririka, Petite Vitesse, Tsaralalàna… fa nanaiky ny fandaminana. Niara-niisalahy tamin’ny kaominina ny delegen’ny mpivarotra sy ny tsena. Rehefa tafiditra ao anatiny, misy ny fanaraha-maso isan’andro ataon’ny mpiasan’ny kaominina. Hitohy ny fanadiovana mandritra ny volana janoary rehetra.

Anisan’ny nampimenomenona ny vahoaka mivezivezy eto Antananarivo ny mpivarotra amoron-dalana marobe manemitra ny arabe. Lasa lalana tokana eny Behoririka avy aty Soarano vokatry ny fibahanan’ny mpivarotra. Soa fa nanomboka nandray andraikitra ny kaominina. Antenaina fa hitohy ny hetsika fa tsy hanao fangala-piery ny roa tonta. Mody miala ny mpivarotra rehefa mandalo ny mpanara-mason’ny kaominina, miverina eo ihany anefa raha vao dify ireto farany. Sary efa mahazatra ny mpitazana izany taona maro.

200 ny olona nahetsika hanadio amin’ny fanalana ny mpivarotra amoron-dalana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.