Flash
Préc Suiv

Jery todika 2015 -Fahasalamana  : nampisavorovoro ny fanaovam-baksiny faobe

Jery todika 2015 -Fahasalamana  : nampisavorovoro ny fanaovam-baksiny faobe

 Nitana ny sain’ny maro nandritra iny taona 2015 nivalona iny, indrindra ny enim-bolana faharoa, ny fanaovam-baksiny iarovana amin’ny aretina poliomelita natao manerana ny Nosy. 11 ny tranga niseho tamin’ny faritra maro hatrany atsimo sy avaratra, nitarika ny minisiteran’ny  Fahasalamana nanao vaksiny faobe ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona. Tsy maintsy atao intelo miantoana ny vaksiny hiarovana tanteraka ny ankizy. Andiany enina no vita ary mbola hitohy amin’ity taona vaovao ity izany. Nisy ny ray aman-dreny nanda ny hampanao vaksiny ny zanany vokatry ny tsy fahafantarana sy ny tsaho marobe nandeha, indrindra amin’ny tambajotran-tserasera amin’ny tranonkala samihafa. Niezaka nandresy lahatra ny fanjakana sy ny mpiray ombon’antoka amin’ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny zaza. Tsy ampy ny vaovao nampitaina manodidina ny hetsika ka nampisavoritaka ny sain’ny vahoaka. Hany herin’ny minisitra nilaza fa tsy tomponandraikitra izy ireo raha sanatria mitranga ny aretina amin’ny vondron’olona tsy nanaiky  hatao vaksiny. 11 tapitrisa ny isan’ny ankizy niantefan’ny vaksiny. Taorian’ny volana aogositra, tsy nahitana tranga vaovao intsony ny poliomelita.

Nirongatra mialoha ny aretina pesta

Niseho mialoha koa ny aretina pesta ho an’ny vanim-potoana fahavaratra mampirongatra azy. Moramanga, Andilamena, farita Bongolava no nahitana tranga… vokatry ny doro tanety. Lasa mandositra any an-tanàna ny voalavo mpamindra parasy mitondra ny pesta. Ampolony ireo namoy ny ainy satria tsy nanatona toeram-pitsaboana na tara loatra vao hitan’ny mpitsabo. 12 ny trangana pesta ahina voatily farany teo any Andilamena, saingy mbola miandry fanamarinana avy amin’ny Institut Pasteur de Madagascar. Ankoatra ny fandrarahana fanafody ny toeram-ponenan’ireo marary, nentanina hanadio tanàna ny mponina amin’ny fokontany nitrangan’ny aretina. Ny volana avrily vao mifarana ny fotoana fisehoan’ny aretina pesta.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.