Flash
Préc Suiv

Filankevitry ny minisitra : nifarana ny asan’ny Cenit

Filankevitry ny minisitra : nifarana ny asan’ny Cenit

 Vita hatreto. Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny faran’ny taona teo, ny fampitsaharana ny asan’ny Cenit, tarihin’ny filohany, Ralaiariliva Ndriana Mamy. Efa mitsangana rahateo sady efa niasa nanatanteraka ny fifidianana loholona Ceni, tarihin’ny filohany, Rakotomanana Hery.

Tsiahivina fa anisan’ny rafitra natsangana, niainga amin’ny sori-dalana ny taona 2011 ny Cenit. Iraka nampanaovina azy ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote miaraka. Teo koa ny fifidianana ben’ny Tanàna.

      Nisongadina ny fitsikeran’ny mpanao  politika sy ny fiarahamonina sivily ny fikarakaran’ny Cenit ireo fifidianana ireo.

Mbola niampy ny fiarahan’ny Ceni sy ny Cenit, niray birao sy asa ary koa vola izany farany teo ? Tsy fahita sy tsy fanao maneran-tany ny tahaka izany raha tsy ny eto amintsika ihany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.