Flash
Préc Suiv

Fikarohan’ny MBG : zavamaniry miatrika toetr’andro sy toe-tany

Fikarohan’ny MBG : zavamaniry miatrika toetr’andro sy toe-tany

Hafanana migaingaina, tany mitresaka, hamandoana be loatra, tany masira, rivo-mahery, afo . Tsy afa-miala amin’ireny ny zavamaniry noho izy ireo mifikitra amin’ny fakany. Manao ahoana ny fiainan’izy ireny manoloana ny toetr’andro sy toe-tany maro isan-karazany ?

Endrika samihafa entin’ny zavamaniry miatrika ireo fahasarotana ireo, araka ny fikarohana nataon’ny Missouri Botanical Garden (MBG). Ohatra : misy tsy mipoitra ety ambonin’ny tany, miendrika voa madinika toy ny pika ; ao ny manana ravina mivangongo toy ny raozy kely miady amin’ny rivotra ; misy ny zavamaniry sasany, toy ny vahona, manangona rano amin’ny raviny sy ny tahony ; ny hafa  mivelona amin’ny bibikely, toy ny tsimahatanando ; ny voahirana kosa, ny ravina mitsingevana anaty rano no hitehirizany rivotra entiny miaina. Ireo any amin’ny tany mando indray, manana ravina lehibe toy ny akondro sy ny ravinala ary ny vatany ambany, afaka miady amin’ny hamandoana be loatra.

Mihakely sady mihamafy toy ny an’ny tapia ny ravin’ireo zavamaniry amin’ny faritra somary maina. Rehefa tena maina ny toerany, mitahiry rano anaty ravina ny sodifafana,  anaty taho ny reniala ary amin’ny faka ny oviala. Misy amin’ireo mampihena ny fahaverezan-drano amin’ny fihintsanan’ny raviny amin’ny andro ririnina. Ao indray ireo Manana faka lalina sady kely, miendrika tsilo mihitsy ny raviny, afaka miaina any amin’ny tany ngazana toy ny fantsilotra. Ohatra amin’ny fahasamihafam-piainan’ny zavamaniry sasan-tsany ireo, araka ny maha zavaboary azy. Koa tokony hotandrovana fa antoky ny fahaveloman’ny hafa, anisan’izany ny olombelona.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.