Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Anisan’ireo nasaina, amin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao eny Iavoloha ny zoma izao ireo filoha teo aloha, efatra mirahalahy : Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana ary Rajoelina. Hanampy azy ireo koa ny filoham-panjakana teo aloha, Ratsirahonana Norbert Lala. Tsiahivina fa maherin’ny 1 500 ireo nasaina amin’ity lanonana ity.

Hambaran’ny Ceni, ny asabotsy izao, ny voka-pifidianana loholona natao ny 29 desambra teo raha tsy misy ny fiovana. Efa tokony ho tonga eny Alarobia avokoa ny voka-pifidianana mialoha io fotoana io.

Amin’ny ankapobeny, lasan’ny HVM avokoa ny seza 36 amin’ireo 42 nofidina. Enina kosa ifampizaran’ny Tim sy ny Mapar ary ny Leader Fanilo sy ny tsy miankina.

Les commentaires sont fermées.