Flash
Préc Suiv

Fampihavanana : mbola handalo dingana lava ny fitsanganan’ny FFM

Fampihavanana : mbola handalo dingana lava ny fitsanganan’ny FFM

 Tsy mbola ho ato ho ato. Tsy tafiditra amin’ny lahadinika na tokony ho nodinihina tamin’ny fivoriana ara-potoan’ny depiote farany teo aza ny volavolan-dalàna hananganana ny Filankevitry ny fampihavanana (FFM). Nambaran’ny mpitondra tenin’ny komity mpanomana, Maka Alphonse fa mbola an-dalana ny momba azy io. « Efa natolotra ny filoham-pirenena ny volavolan-dalàna sy ny asanay komity. Handalo ny filankevitry ny governemanta sy ny minisitra izany. Aorian’io vao halefa eny amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona », hoy izy, omaly tao amin’ny RNM. Nanteriny fa lalàna lehibe eto amin’ny firenena io ka tsy maintsy mbola hodinihin’ny teknisianina, mialoha ny handefasana azy eny Tsimbazaza.

Hanohy ny asany tahaka ny Cenit na lany daty aza

Tsy vitan’izany ihany anefa fa efa mba niomana koa ny komity mpanomana. « Efa nanoritsoritra hitsivolana valo ihany izahay hanampiana ny mpitondra amin’ny hampiharana izany », hoy ihany izy.  Anisan’izany ny komity hifantina ireo olona handrafitra ny FFM. Eo koa ny hananganana ny Tahirim-pirenena ho an’ny firaisankina (FNS), hanonerana ireo niharam-boina noho ny krizy.

Tsiahivina anefa fa hifarana amin’ny marsa izao ny asan’ny FFM, najoron’ny Tetezamita.

      Midika izany fa mbola hanohy ny asany, toy ny Cenit, indray koa ity rafitry ny fampihavanana ity hatrany amin’ny volana mey, hanaovana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.