Flash
Préc Suiv

Anosiala : lehilahy maty nananton-tena

 Raim-pianakaviana iray vao 25 taona monja no maty nananton-tena tao an-dakozia, ny asabotsy teo teny Anosiala Ambohidratrimo. Araka ny fanazavana voaray, manana olana ara-panambadiana izy satria nisaraka tamin’ny vadiny, ny taona 2015 lasa teo. Fantatry ny fianakaviany anefa izany olany izany ka tsy namela irery azy fa nasainy niara-nipetraka tamin’ny havany hatrany izy. Sendra izy irery anefa no tao an-trano ka nitsiry tao an’eritreriny ny hamono tena. Tsy nisy nahatsikaritra rahateo izany fa ny vatany efa nikirozaroza tsy nisy aina intsony no nahataitra ny mponina teo an-toerana. Nesorina tamin’ny tady ny vatany ary niala nenina ihany, saingy efa tsy avotra intsony.

Tsy vao izao no nahitana olona manana olana ara-pitiavana namono tena toy izao. Ekena fa eo ny hamafin’ny fiainana fa tokony hahay handanjalanja ny fitondran-tenany ihany ny tsirairay. Ny fianakaviana rahateo no sahirana amin’ny fikarakarana. Tsy vahaolana rahateo ny famonoan-tena manoloana ny olana mianjady eo amin’ny tokantrano. Vao mainka aza fahasahiranana izany.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.