Flash
Préc Suiv

An-kitsim-po : hafa ny tarehimarika

Vaovao ny taona, hiatrika toekarena vaovao indray izany, na ho tsara na ho ratsy. Amin’ny fiandohan’ny tahaka izao, tsy maintsy be famaritra hatrany ny mpitondra fanjakana. Hamoaka tarehimarika isan-karazany, indrindra ny tahan’izay mety ho fisondrotry ny harinkarena faobe. Tamin’ny taon-dasa, nofaritana 5 % ny fiakaran’ny harinkarena ; lazaina fa tratra ny 3 % . Raha atao jery todika vetivety, hafa ny tarehimarika, tsy hita amin’ny fari-piainan’ny maro anisa. Vidim-piainana miakatra andavanandro no iainan’ny maro ; fahasahiranana isan-karazany mahakasika ny foto-piveloman’ny rehetra, toy ny krizy ao amin’ny Jirama, fahaverezana asa sy ny tsy fahitana asa sy ny maro hafa.

Maro isan-karazany ny tarehimarika “miabo” azo ambara momba ny toekarena. Raha mbola hita misongadina ety ivelany anefa ny endriky ny fahantran’ny firenena, ohatra, ny vokatra tsy mitombo, jiro tsy mandeha, lalana ratsy, fako misavovona, ahoana ny inoana ireny tarehimarika isan-karazany ireny ? Ary amin’izao fotoana izao, vao mainka mahazo vahana saika manerana ny Nosy ny tsy fandriampahalemana, sakana iray lehibe mampihemotra ny toekarena.

MC

Les commentaires sont fermées.