Flash
Préc Suiv

Tsiahy – Mozika : nanamarika ny 2015 ny « gweta »

Na taty an-tanàn-dehibe na tany ambanivohitra, na tany amin’ny hotely sy « espaces » goavana na tany an-tokantrano, eny, hatreny an-dalambe aza, tsy nisy tsy nandihy tamin’ny « gweta », tamin’iny alin’ny faran’ny taona sy nitsenana ny taom-baovao iny. Tsy nahagaga ! Nanamarika iny taona 2015 iny ity gadona arahina dihy manokana noforonin-dry Toofan, avy any Togo, ity, raha ny teto amintsika no resahina. Voasarika avokoa ny ankizy, ny tanora hatramin’ny lehibe. Tsy ny olon-tsotra ihany no mahita fa mahafinaritra ny « gweta » fa hatramin’ny mpanakanto malagasy koa aza. Tsy vitsy ireo manafangaro azy amin’ny gadona hafa, toy ny R&B.

Tsara ny manamarika fa tarika togoley niorina tamin’ny taona 2005 ny Toofan, ahitana mpikambana roa : Masta Just sy Barabas. Efa hatramin’izany fotoana niorenany izany no nahavariana ny feon-javamaneno sy ny dihy nentin’ireto tovolahy ireto. « Cool-catché » ny niantsoan’izy ireo izany.

Efa tamin’ny taona 2013 kosa no nivoaka ny « gweta », saingy tamin’iny tapany faharoa tamin’ny 2015 iny izany vao tena nalaza teto amintsika. Ankoatra ity gadona ity, nampalaza an-dry Toofan koa ny namoronan’izy ireo ny hira fanevan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny Can, amin’ny taranja baolina kitra, ny taona 2012 sy 2015.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.