Flash
Préc Suiv

Maroantsetra : fametrahana kamiao niafara tamin’ny fitoriana

Mpandraharaha ara-toekarena iray, ao an-tampon-tanànan’i Maroantsetra, mahavelon-taraina ny mponina. Anisan’izany ny mpandraharaha iray namany anisan’ny niharan’ny antsonjay nataony. Ny talata lasa teo, teny anivon’ny zandarimariam-pirenena nahatonga ny solontenan’ny mponina sy ny mpandraharaha iray nampiaka-peo ka nitafa tamin’ny mpanao gazety.  Araka ny fanazavana, mpandraharaha jirofo iray avy nividy kamiao, nindrana tokontany tao amin’ilay mpandraharaha voalaza no niantombohan’ny olana. Tsy tao an-toerana ilay tena tompon-tanàna  fa ireo tompon’andraikitra niandry tanàna nifampiresahana. Olona mpiara-miasa rahateo ry zareo amin’ny fanangonana  jirofo ka tsy nisy ny olana.  Ny ampitso anefa, tonga ilay mpandraharaha izay tena tompon’ny toerana nametrahana ny kamiao. Nampangainy ho namingavinga sy tsy nahazo alalana taminy ilay tompon’ny fiara ka niantsoany zandary. Ireto farany izay nisambotra avy hatrany ary nitazona azy tany amin’ny « violon ». Ny alakamisy hariva vao tonga tany amin’ny biraon’ny zandary ilay mpandraharaha nametraka fitoriana. “Nampangaina ho nikasa hangalatra jirofo tao aminy ilay  tompona kamiao nindrana tokotany”, hoy ny vaovao azo. Nahazo fahafahana nivoaka izy ny zoma hariva rehefa tapitra ny 48 ora. Tsy mbola nisy ny famotorana natao azy ary miandry ny ho tohiny ilay olona notorina. Ny kamiao ny rahateo, mbola voatazoana any an-tokotanin’ilay mpandraharaha namany. Ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena izay nantsoina an-telefaonina, nanazava fa efa misy ny fitoriana ka handeha ny fanadihadiana. Taorian’ny  fahafahany nody kosa, milaza ny tsy hipetra-potsiny ilay mpandraharaha tompon’ny kamiao satria fiaraha-miasa tsotra no nangatahiny kanefa navadika ny resaka.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.