Flash
Préc Suiv

Faran ' ny taona Toamasina : tapatapaka hatrany ny jiro

Tapatapaka hatrany ny herinaratra tany Toamasina nandritra ny fetin’ny faran’ny taona fa tsy araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra.  Ho an’ny firaisana dimy eto an-drenivohitr’ i Betsimisaraka aloha, saika niaina tao anatin’ny haizina sy tsy fisian’ny rano ny tontolon’
ny 30 desambra. Nitohy izany ny andron’ ny faran’ny taona 31 desambra, saika tapaka avokoa ny herinaratra tamin’ ny fokontany maro, misy mihitsy aza fokontany tahaka ny tao Ankirihiry sasantsany tsy niverina ny rano raha tsy ny voalohan’ny volana janoary. Voalaza fa  ny mpiasan’ny Jirama no tena mpangalatra, ary nambara fa mangalatra ny mpiambina. Tamin’ny 13 novambra lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora sy 51 minitra fiara iray mitondra solika ho an’ ny Jirama tsy niditra ny orinasa Jirama raha tsy ny 14 novambra tamin’ny 8 ora sy 50 minitra. Fiara « citerne » feno 5.000 litatra, tamin’ io fotoana io, nihena 363 litatra ny solika nampidirina tao amin’ny foiben’ny Jirama Tanambao Verreri. Nandeha ny fitarainana.

Sajo

Les commentaires sont fermées.