Flash
Préc Suiv

Fampihavanana : manana ny paikadiny ny FFKM

Fampihavanana : manana ny paikadiny ny FFKM

 « Tsy mbola hampahafantarina izao ny drafitra vaovao hitondran’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM)  ny fampihavanana. Aleo handeha miandalana sy tsikelikely eo izany », hoy ny filohan’ny fiangonana anglikanina (EEM), ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, ny faran’ny herinandro teo.

Mijanona ho tsiambaratelo eo amin’izy ireo izany aloha izany paikady izany, manoloana izao hijoroan’ny rafitra vaovao ho an’ny fampihavanana (FFM) izao.

       Etsy andaniny, nambarany fa tsy maintsy hotohizana ny dingan’ny fampihavanana efa natomboky ny fiangonana efa-tonta. Efa betsaka rahateo ny ezaka vita, ny fotoana sy ny vola lany ary koa ny herim-po. Manana fanantenana betsaka ity filoham-piangonana ity  fa hivoatra sy ho hita miandalana izany vokatry ny fampihavanana izany. « Amin’ny maha mpitondra fiangonana anay, mampita hafatra hatrany izahay », hoy ihany izy. Nohitsiny fa miankina amin’ny tsirairay koa anefa ny firosoana amin’ny fampihavanana ary tsy afaka hiandry ny tonga lafatra isika vao hanomboka, araka ny nambarany ihany.

Handray ny fitantanana ny FFKM ny FLM

Tsiahivina fa hifarana amin’ny alahady 24 janoary izao ny fe-potoam-pitondran’ny mpitandrina Rasendrahasina Lala ny FFKM. Handray ny fitantanana izany indray ny avy amin’ny loterana (FLM), ny pastora Rakoto Endor Modeste.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.