Flash
Préc Suiv

Fampianarana : manomboka ny telo volana faharoa 

Miditra amin’ny telo volana faharoa ny mpianatra manomboka anio. Ny 18 marsa vao hifarana ny fianarana ary hiroso amin’ny fialan-tsasatry ny Paska indray hatramin’ny 3 avrily. Misy ny fitsaharana telo andro mandritra ny andron’ny sekoly 17 ka hatramin’ny 19 febroary hanadiovana ny efitrano sy hanaovana hetsika ara-panatanjahantena. Herin’ny taom-pianarana ny telo volana faharoa satria fotoana famitana ny fandaharam-pianarana rehetra mialoha ny fanadinana famaranana. Amin’ny telo volana fahatelo, fizarana sy famerenana sisa atao.

Ao anatin’ny telo volana faharoa, santarina ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana telo.

Rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao, mihena ny isan’ny ankizy tonga any an-dakilasy vokatry ny fiakaran’ny rano eny amin’ny faritra iva. Mifanandrify amin’ny maitsoahitra rahateo ka an-tanan-dany ny mpamboly.

Tsiahivina fa ny 5 jolay ny fanadinana CEPE raha ny 18 jolay ka hatramin’ny 21 jolay ny BEPC.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.