Flash
Préc Suiv

Toamasina : tsy tanteraka ny tokin’ny Jirama

Tsy araka ny nampanantenaina! Nanome toky ny fitantanana ny Jirama Toamasina, fa azo antoka ny famatsiana herinaratra, satria mihoatra ny tanjaka ilain’ny mponina ny vokarin’izy ireo. Tsy izany anefa ny zava-nisy raha asian-teny ny andron’ny 31 desambra. Tany amin’ny toerana sasany, tapaka tamin’ny 11h45 mn ny jiro, ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 1ora sy sasany tolakandro, izany hoe nandritra ny adiny iray sy 45 mn. Tsy vita teo, fa nandeha kely 15 mn ny herinaratra, ary tsy niverina raha tsy afaka adiny iray indray avy eo.

Tapaka koa ny rano

Tsy ny famatsiana herinaratra ihany ny nahazo ny mponin’i Toamasina, fa tapaka koa ny rano tany amin’ny faritra sasany.

Nitohy foana io fahatapatapahan’io taty aoriana, ary toy izany niainan’ny mpanjifan’i Toamasina, namarana ny faran’ny taona. Manazava ny tompon’andraikitry ny Jirama sy ny fanjakana fa tsy delestazy ny mitranga, fa lafiny ara-teknika. Izay ve ny andrasan’ny mpanjifa sa ny famatsiana herinaratra ara-dalàna sy araka ny tokony ho izy, satria samy tapaka ny famatsiana jiro ?

Tapahina ny famatsiana rehefa tsy mahaloa faktiora

Araka ny taterina eto hatrany, manaja ny anjara andraikiny tandrify azy ny mpanjifa, ary tokony toraka izany koa ny mpamatsy, izany hoe ny Jirama. Ny hita anefa, tsy ampy ny fanazavan’ny ity farany, ary tsy miandry fotoana na famelana izy ireo manapaka ny famatsiana raha vao tara ny fotoana fandoavana faktiora.

Iaraha-mahalala fa sahirana ara-bola ny Jirama, saingy eo ambany fiahin’ny fanjakana. Izany hoe, laharam-pahamehana ary tsy tokony atao ambanin-javatra. Amin’izao fotoana fanarenana ny toekarena izao, manan-danja amin’ny mpandraharaha sy ny orinasa ny fisian’ny herinaratra ampy.

Randria

Les commentaires sont fermées.