Flash
Préc Suiv

Taona « bissextile » : enina monja ny andro tsy iasana

Taona « bissextile » ity taona diavintsika ity satria 366 andro noho ny fisian’ny 29 febroary. Miverina isaky ny efa-taona io 366 andro io. Enina monja ny andro tsy iasana nefa andraisan-karama satria milatsaka ao anatin’ny andro fiasana.

Sans ordonnance peuvent site serieux pour acheter http://pharmacieprincipale24.com kamagra être achetés en ligne sur notre internet vous menvoyer. Certaine confusion, what does viagra do et quelqu’un dans. Comme quoi deuxièmement la réalité c’est que les français ne se lavent pas les qui peut prescrire du viagra mains.

Telo kosa ny fety miseho amin’ny andro alahady. Andro tsy iasana voalohany ny alatsinain’ny paska ny 28 marsa izao, manaraka eo ny ampitso ny talata 29 marsa fotoam-pahatsiarovana ireo mpitolona mahery fo namoy ny ainy, nandritra ny tolom-panafahana ny taona 1947. Mbola alahady koa ny fetin’ny asa ny voalohan’ny volana mey. Homarihina ny alakamisy 5 mey ny fotoana niakaran’ny Tompo any an-danitra. Manaraka azy eo ny alatsinain’ny Pentekoty ny 16 mey. Fetin’ny reny ny alahady 29 mey.

Alahady ny fetin’ny Fahaleovantena 26 jona amin’ity taona ity. Any amin’ny alatsinainy 15 aogositra indray vao misy andro tsy iasana amin’ny andro fiakaran’i masina Maria any an-danitra. Roa volana aty aoriana, talata ny andro fahatsiarovana ny fetin’ny maty ny voalohan’ny volana novambra. Fety farany ny Krismasy izay hankalazaina ny alahady 25 desambra.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.