Flash
Préc Suiv

Nanampy tosika ny kamiaon’ny tafika : mbola miavosa ny fako eran’Antananarivo

Nanampy tosika ny kamiaon’ny tafika : mbola miavosa ny fako eran’Antananarivo

 Mbola miavosa ny fako hatramin’ny omaly eny amin’ny toeram-pitobiana maro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Efa miezaka maka ihany ny kamiaobe sy ny tracks fa tsy maharaka mihitsy satria ny eo mbola tsy afaka, tonga manary indray ny mponina. Nanampy tosika nitaona ny fako ny fiaraben’ny zandarimariam-pirenena, toy ny teny amin’ny fokontany Andraisoro, afakomaly. Tsikaritry ny mponina fa amin’ny toerana tsy andalovan’ny kamiaobe, trongisina ary asavovon’ny tracks fotsiny eo an-toerana ihany ny fako mba tsy hibahana ny arabe. Nambaran’ny fanjakana fa manao ezaka lehibe ny tomponandraikitra hanalana ny fako ao anatin’ny fotoana fohy fa mbola ho lavitra ny ezaka. Tsy narotsaky ny kaominina Antananarivo amin’ny Samva ny hetra avy amin’ny fako miteraka ny olana ara-bola sy teknika. Niala avokoa ny mpibata fako 100 amin’ny 136 miasa sy ny kamiao simba nanampy trotraka ny fahasahiranana.

Sorena avokoa ny mponina, noho izany, saingy tsy afa-manoatra fa miaritra ny maimbo fotsiny. Heverina fa tsy hitarazoka ela intsony ny fakana ny fako satria efa nankatoavin’ny banky ho an’ny fampandrosoana (Bad) ny vola 80 000 dolara amin’ny fanampiana aorian’ny hamehana. Betsaka ihany ny sora-bola voalaza fa atolotra ny Samva nefa tsy hita taratra mihitsy ny vokany fa mbola miavosa ny fako.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.