Flash
Préc Suiv

Lapan’Anosikely : hiampy loholona 21 ireo HVM 36 voafidy

Ho feno tanteraka ireo loholona 63 ho etsy amin’ny lapan’Anosikely any amin’ny volana febroary any rehefa voatendrin’ny filoham-pirenena ireo 21, anjarany araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana.

     Hatreto aloha ary tsy hisy intsony ny mety ho fiovana, lasan’ny HVM ny loholona 36 raha ny voka-pifidianana vonjimaika. Azon’izy ireo 100%, izany hoe, toerana fito avy any Toliara, tarihin’ny Praiminisitra teo aloha, Kolo Roger sy Raveloson Thierry. Toy izany koa ny any Fianarantsoa, amin’ny alalan’ny lehiben’ny faritra teo aloha, Andriamandavy Riana.

Ho an’ny eto Antananarivo indray,  lasan’ny HVM ny toerana enina,  tarihin’ny lehiben’ny faritra teo aloha, Randriambololona Mananjara, sy ny mpanolotsain’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rason Vola. Mameno azy fito ny Tim amin’ny alalan-dRamalason Olga.

     Dimy kosa ireo HVM voafidy any Toamasina, tarihin’i Malo Benoit. Nahatafiditra iray ny Tim, amin’ny alalan-dRandriantsalama Jackie. Eo koa ny Mifanasoa, nahalany an-dRamarosoa Emiline.

    Dimy koa ny HVM voafidy any Mahajanga ka mitarika izany Beranto Alexandre. Nahazo iray avy kosa ny Tim, Fernand Jeannot, sy ny Mapar amin’ny alalan’i Velontsara Paul.

Ho an’ny any Antsiranana, lasan’ny HVM ny seza 6, tarihin’i Bematana Martin. Miampy ny Leader fanilo, Ravololonirina Emelie, nahazo toerana iray izany.

       Midika izany fa loholona enina no tsy HVM amin’ireo nofidina : telo Tim ary iray avy ny Mapar, Leader fanilo ary ny Mifanasoa.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.