Flash
Préc Suiv

Fanehoan-kevitra : niaiky ny lesoka amin’ny fifidianana ny Arema

Fanehoan-kevitra : niaiky ny lesoka amin’ny fifidianana ny Arema

« Natao tao anaty orana ny fifidianana. Maro ireo mpifidy vaventy tsy afa-nanefa ny adidiny. Tokony hojerena koa ny lisi-pifidianana, amin’ny fifidianana rehetra mba hifanaraka amin’ny lalàna. Tsy voahaja izany teo, amin’ny tokony hamoahana azy 30 andro mialoha, voalazan’ny lalàna… », hoy ny kandidà loholona sady mpitarika ny Arema, Andrianarisoa Ange, afakomaly tetsy Antanimena. Notsiahiviny avy eo ny tsikeran’ny KMF/Cnoe iny fifidianana iny. Teo ny faneriterena sy ny tsindry ary ny fanesorana amin’ny toerany ireo ben’ny Tanàna, araka ny nambarany.

     Ho an’ny Arema, nezahina nampahafantarina ny fandaharanasa tamin’ny fampielezan-kevitra. « Liana ny olona ary maro ireo nifanakalo hevitra aminay », hoy ihany izy, nampiseho fa velona sy miaina ny antokon’ny Amiraly.

Tsiahivina fa nizara kojakoja ilaina amin’ny fiainana andanavandro (PPN) ho an’ireo mponina sahirana etsy amin’ny boriborintany III ny Arema, tamin’io fotoana io.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.