Flash
Préc Suiv

Basikety : feno ny fandaharam-potoan’ny FMBB, taona 2016

Basikety : feno ny fandaharam-potoan’ny FMBB, taona 2016

Niova ary dia feno avy hatrany ny fandaharam-potoan’ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) amin’ity taom-pilalaovana 2016 ity.

Araka izany, ankoatra ireo fifaninanam-pirenena manomboka eo amin’ny sokajy U14 zazalahy sy zazavavy hatrany amin’ny N1B sy N1A ary “véterans”, niampy izany manomboka amin’ity taona 2016 ity. Anisan’ny zava-baovao hoentin’ny FMBB, izay efa tafiditra amin’ny fandaharam-potoan’ny federasiona iraisam-pirenena (Fiba), ny basikety ho an’olon-telo na ny Fiba 33 na 3 x 3. Raha ny fanazavana mantsy, hasiana fifaninanam-pirenena ihany koa ny Fiba 33 ary hatomboka amin’ity taona ity izany, izay handraisan’ireo ligim-paritra anjara.

Mbola hisy fifaninanana iraisam-pirenena hampiantranoan’i Madagasikara ihany koa amin’ity taom-pilalaovana ity, toy ny fiadiana ny “Coupe d’Afrique des clubs champions”, sns.

M.N.

Les commentaires sont fermées.